Tsy hoe ... (oceane)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe tsy tia intsony
na tofoka sy lao
Fa mila fandinihina

Tsy hoe hiala aminao
na koa hifindra lasy
Fa toa misalasala

Tsy hoe ianao no ratsy
na koa hoe mankaleo
Fa aleo aho mba hisintaka

Handinika izay mety
hibanjina ny ho avy
Raha mbola mety ihany

Hiala vetivety
sao izay no fanafody
Hamerina ireo lasa

Handao anao kely
hijery raha mba mety
ny tsy eo anilanao

Tsy hoe tsy matoky
ny halalin'ny fitia
izay natolotrao

Tsy hoe mitsapa hoe
hatraiza ihany mihitsy
ilay fitiavanao

Fa kosa manamafy
sy koa maka toky
ireo izay efa misy

Fa kosa mba hijery
hoe tena izy ve
ilay izaho sy ianao.
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1555 3
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 07/12/2005 12:40)
tsara be lay tononkalo a! dé mahereza e!mendrika isa 5 zany!
andreasr ( 25/10/2007 09:30)
zany mihintsy e
ikalamako ( 14/03/2019 08:54)
tiako koa ity annnn.. mahalaza azy zay hihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : Manoo
Daty : 06/12/2005 13:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218