Nahoana loatra re?... (Oelydina (alias voninkazo.fotsy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nahoana re ry tany?
No notondrahanao tomany,
Izany foko kely izany!

Fa nahoana ry olona iny?
No nitempo anao ny foko,
Tamin'iny andro iny!

Ka nanomboka hatreo
Nanjary raikitra ato am-poko
Ilay salovan'endrikao
sy izay hafa momba anao...
Izay nambabo izany foko.

Nanjary tsy afaka ato am-poko
Ary fifaliako hatrany,
Ny hanonona ny anaranao,
Na ho mangidy na ho mamy
Izany fiainako eto an-tany!

Nokoloiko ilay fitia,
Notondrahako hatrany
Mba haharitra ho doria!

Satria mantsy nantenaiko
Ary tena nandrandraiko,
Ny ho eo anilanao…

Kanefa, indrisy, tsy nampoiziko!
Hay voarara ny antsika..
Tsy azo atao ny miara-dia
..nizara roa ny lalantsika..
ka voatery hisara-dia!

Rava, potika daholo
Ilay fitia nokoloiko
Hay nofy avokoa
Ireo nantenaiko tato am-poko..
Nanjary fery nankarary,
Ary tena nampijaly
Ity foko nitomany!!

(Voninkazo.fotsy)
--------
Rohy:
1430 3
Hevitra mandeha
yonikafopl ( 14/03/2005 00:26)
hummmmmmmmmmmmmm
mampisento ahy ianao lahy!!
mahereza ary aza kivy eee
voninkazo.fotsy ( 17/03/2005 14:13)
eee..raha mba fantatrao mantsy fa mangidy izany mizaka fitia voarara izany..saingy efa lasa iny ka avalona amin'izay ny tantara...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Oelydina (alias voninkazo.fotsy)
Nampiditra : voninkazo.fotsy
Daty : 13/03/2005 18:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009