You are here: home > Vetso

EMBONA - OLLIE

Ao anatin'ny alina mangina
No anembonako anao
Kanefa toa nofinofy mahavariana
Toa tsy lavitra fa anilanao

Volana vitsy lasa izay
No nifandaozantsika roa
Ka tsy nampatory hatrizay
Nanimba saina,nankarary an-doha

Vao nidify ny andro iray
Dia injao fa nitaraina
Ny tao anaty namaivay
Tsy nampino,nahasondriana

Lavitra anao tokoa mantsy
Ary mangina antanin'olona
tsy hadalana anefa na tsy tanty
Fa noho ny zava_misy manoloana

Mahatsiaro lalandava
Ireo fanao andavanandro
Sangisangy,tsongotsongo mampisava
Ny adin-tsaina isanandro

Ankehitriny mantsy izao
Embona foana no hita
Mangina aho fa tsy eo ianao
Toa tsy ho hisy zava-bita

Toa voron-kely sara-namana
Mangina tsy misy mpijery
Ka manembo-dava fa manin-kavana
Satria mahatsiaro fa irery

Rahoviana ary ilay andro
Hiaonantsika roa indray
Tiako mantsy ianao ary mamiko
Tsy ho embona intsony amin'izay andro izay

Sokajy : Alahelo, embona

Mombamomba

Mpanoratra : OLLIE

Nampiditra : ollie
Daty : 10/09/2005
Mpamangy : 3340
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

TSIAHY ANAO
AIZA! MIVERENA
TANORA O!
UN CHOIX
AZA KIVY
RAHOVIANA ?

Hevitra mandeha

vetsoko (14/09/2005 17:47:18)

mampahery anao,aza atsahatra ny kalo.
eeeh samy eo isika!

Hametraka hevitra

Midira aloha