NENINA (Omegà Ratojo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENINA

Kalokalo ivaiva
Kalo mahonena sady kalon’olon-dresy
Tao anaty takariva,
No hany kalokalo niarahanay niventy

Sarim-pony sy ny foko
Norohizan-jana-tsipika hitambatra ho iray,
Natao sary peta-toko …
No hany mba nandravaka ny pejy vitanay

Ka injao badenina
Ato anaty zavozavon’ny ririnina mahangoly
Ny eritreritra manenina ;
Fa niaraka ihany isika saingy tsy nisangy akory

Niaraka ihany isika
Saingy matin-kambo sy nitompo teny hoe : « Tiavina »
Ka izao fa mangatsiaka
Vao tonga saina hoe : Aleo ianao tadiavina !


Omegà Ratojo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
659 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Omegà Ratojo
Nampiditra : FanambinanaKely
Daty : 25/06/2019 11:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135