ILAY VERY FA HITA INDRAY (ONITRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY VERY FA HITA INDRAY

"Niainga tamin'ny fiainan'ny namana iray"

Ilay fitiavako mahery efa ela tato anaty
zay nosembanin-drahona noho ilay etraketraka,
no indro indray mitsiry,velona tsy maty
fa sendra fanafody ka sitrana tanteraka

Taona vitsy izay no lasa, nionona 'ty foko
fa noheveriko hoe tsy hitohy intsony ilay tantara,
kanjo novelominao ry aiko,ilay fitia niova loko
ka mamiratra ankehitrio ,manja be sy tena tsara

Adinoko avokoa ny tontolo manodidina
noho ny fiverenanao eto anilako eto indray.
Toa tsy ety an-tany aho fa toa maniditsidina
satria mahatsiaro sambatra ,lafatra sy "oay"!

Raha ny faniriako dia tsy hisy intsony hisompatra
fa hitolona tanteraka aho, hiady ho antsika roa.
Ahy irery ianao hatreto,ny mpankahala mety hirongatra,
vao mainka anefa izany ataoko ho ampinga ho ahy tokoa.

Handresy hatrany no ilaina sy tanjona ho tratrarina
ka raha mbola misy hitady hisakana ny dia;
tsy ho antsika intsony 'zany,f'isika roa tsy maintsy miarina,
vonona hifatotra ho gejain'ilay fitia.


ONITRA 08:58 06/12/2006
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1794 1
Mpakafy: fahamarinana
Hevitra mandeha
mbitaniavo ( 11/12/2006 12:49)
ho setrin'ny tononkalon'ise, dia lay tononkalon'le mpanoratra iray zay manao hoe:
Jamba mandeha amin'ny alina
Entanin'ny FITIAVANA lalina...
Malalason ( 14/12/2006 11:03)
ho setriny hafatr'se indray kosa de le hira hoe : "ho tsaroako foana ho'aho ianao,
izay rehetra niaraha-nanao,
na tsara nahafatifaty
na ratsy hila tsy ho tanty,
ho tsaroako foana, mandra-maty.

fa n'aiza² misy anao 'zaho tsy manadino anao,
fa n'inona² hidona e
zao no voadiko
ianao mitoetra foana anatiko...

fisaorana ampoka no atolotra ny mpanoratra (ONITRA)sy i mbitaniavo
Malalason

ari.malala ( 15/12/2006 12:05)
"Handresy hatrany no ilaina sy tanjona ho tratrarina"
dia io no entiko hankaherezana anao, tohizo hatrany ny dia fa handresy ianao
fahamarinana ( 05/06/2009 07:10)
Tiko ilay hoe " maniditsidina ",dia mamiko loatra koa ilay hoe "Sambatra ",Lalaiko ihany koa ilay hoe "Ahy irery ianao hatreto "!! Ao tsara ilay Aingam-panahy ry ONITRA an !..Tiko ny Tononkalonao ! misaotra e !
Faha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ONITRA
Nampiditra : Malalason
Daty : 11/12/2006 06:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139