Tsy ahoako.... (ONITRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ahoako!

Tsy mampaninona ahy izay resaka ataonao,
manindrona ao ivohoko milaza "izao sy izao"
satria tsy misy fiainana raha tsy misy toy izany
raha mbola mihodinkodina ny bolabolan-tany.

Ianao manejika ahy, f'izay no lafatra aminao
fa ny ahy tsy mety foana izay hany rehetra atao,
mahazo kihana aho avy etsy, mahazo kihana avy eroa
ka lazaina tsy misaina, atao koa hoe: kely loha.

Ianao, manely tsaho milaza atsanga tsy aman'orana,
manaratsy hatrany hatrany satria tsy misy famotorana
azoko antenaina hanamarina ny misy,
kanefa tsy maninona, zakaiko izany, indrisy!

Izay no efa voasoratra sy tinendry hatramin'ny ela,
ka n'inona n'inona mitranga tsy ahoako aho tsy afa-bela.
Azonao tohizana ny manenjika ahy hatrany,
rehefa leo ianao hangina, ianao no mety hitomany.

ONITRA 20/02/2010
--------
Rohy:
1753 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ONITRA
Nampiditra : helitiana
Daty : 09/03/2010 06:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014