VAVAKA (ONITRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanandratra ny feoko aho androany Tompo masina,
hanandratra ny feoko ,hidradradradra tsy hanafina
hanandratra ny feoko, hivavaka aminao
hanandratra ny feoko, hitaraina sy hitalaho

Hanandratra ny feoko aho,hisaotra indrindra Ray
noho ny nanomezanao ahy tombon'andro iray
hanandratra ny feoko,hiova an-kitsi-po
satria mahatsiaro diso sy meloka tokoa 09:27 03/11/2006

Hanandratra ny feoko aho ,hangata-pamelàna
noho ny heloka 'zay vitako sy 'zay mety fahotana
hanandratra ny feoko ka hanolotra fifonana
noho ireny toetra ratsiko sy ireny fialonana

Hanandratra ny feoko aho ,hivavaka aminao
tena vavaka amy fo fa tsy mba kilalao
hanandratra ny feoko ka hibebaka tokoa
hivalo sy hibaboka aminao ry Ray tsitoha.
Amena.

ONITRA
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
2953 4
Hevitra mandeha
njaf ( 02/11/2006 10:43)
tiako ilay vavaka fa sosokevitra raha toa ka tsy mahatezitra anao "rehefa mivavaka ny olona dia misy ireto manaraka ireto : Mifona, Misaotra izay vao mangataka, ny mifona sy mangataka efa ao fa ilay misaotra no tsy hitako ao ka mba ampio raha mety dia alefaso indray ny manaraka. Misaotra fa tsara ny asasoratrao.
helitiana ( 03/11/2006 08:29)
misaotra indrindra anao Njaf @ torohevitra,tsy azo atao ny tezitezi-poana,azo raisina tsara ny hevitra avy aminao.Mirarisoa.
njaf ( 03/11/2006 15:06)
voaraiko tsara ilay fisaorana mankasitraka e
fahamarinana ( 05/06/2009 07:25)
Lehibe tokoa ny Famindram-pon'Andriamanitra ! Mino sy matoky aho fa reny koa ny Fisaorana natao na dia tsy voasoratra sy tsy niloa-bava aza ! Inona moa no tsy ren'ny Tompo raha ny mikasika antsika zanany !
Fa marina tanteraka ny voalazan'ny njaf hoe hisaotra hatrany isika fa Lehibe loatra ny Fitiavany antsika !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ONITRA
Nampiditra : helitiana
Daty : 02/10/2006 20:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104