You are here: home > Vetso

Eisy aho e ! - ontsy

Eisy aho e ! Ramalagasy, malagasy tsy andaharana
Toetra ratsy sy mamofona dia hazonina, amaharana
'Tony fombanao tia kely sy mpitady tombon-tsoa
Ianao no 'lay katity, fa tsy karana na sinoa.

Vao namboarina ny lalana, lalambe haingon-tanĂ na
Dia tsy menatra ianao fa nijery izay ho alaina
Ka ny vatokely, fasika mba natoby mandrak'alina
Dia nakana iray sobika, 'zato toetranao mba lalina.

Irony tatatra vaovao, ka tsy mbola nosantarina
Eny moron-dalana eny, tena azo antsaina marina
Fa ramalagasy indray no nandika izany baiko
Fa dia tototra sahady, feno hiaka amam-pako.

Eisy aho e ! Ramalagasy, malagasy tia mihetsika
Te hihambo ho olombanona ary tena be fitetika.
Mihirahira fa hampiasa itony harendrim-bita gasy
Nefa ny entina amin'ny fety jiro fa tsy taratasy.

Mbola hanangatra aminao itony hafatry ny ntaolo
'Reo mpandoto rano ireo mbola ho sendra trondron-dolo
Ny mpanimbazimba hasina mbola hiolankolan-doha
Fa ny tena malagasy dia izay olona mifoha.

Mombamomba

Mpanoratra : ontsy

Nampiditra : ontsy
Daty : 12/06/2019
Mpamangy : 76
Mankafy : 0 | Iza avy
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Anarana

Hametraka hevitra

Midira aloha