Ilay TSIKIKO (Ora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitsiky aho satria
Izay no endrika hanafenako
Ireo sento sy toloko
mitampify anatiko ao

Mitsiky aho satria
Efa hatramin’ny fahazaza
Toa fahoriana lalandava
Ny fiainako! ary hatram’izao

Mitsiky aho satria
Raha ny sentom- poko lalina
Zakaiko andro aman’alina
Tsy ataoko fantatrao

Mitsiky aho satria
Tiako mba ampitoniana
Ka hokoboniko mangina
Lay ratra-poko ao

Mitsiky aho satria
Afeniko mba tsy ho tazana
Na dia sarotra sy mazana
Reo zioga zay lanjaiko

Hitsiky aho ary mbola hitsiky
Homeko tsy hitady tambiny
Atolotro tsy asiako ambiny
Ilay sombi-tsiky hananako

Ilay “TSIKY”-ko… indro
fa zaraiko aminao!!!
--------
Rohy:
1885 4
Hevitra mandeha
tojonirinaandriamampionona ( 30/10/2015 12:48)
Tsara
katrynah ( 18/12/2019 15:12)
La sourire coute moin cher que l electricité mais donne beaucoup de lumiere
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ora
Nampiditra : ora
Daty : 06/10/2015 10:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095