Ny RENY sy ny ZANAKA (Ora)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny reny no mizaka
Ny havesatrin’ny jaly
Midona amin-janaka
Ny reny no misotro
Ny ngidy rehefa tojo
Ady sarotra ny zanaka
Ny reny no mihafy
Amin’ny tenda maina
Sao tsy mihinana ny zanaka
Ny reny no manandratra
Sy mitrotro am-bavaka
Ny fiainan-janaka
Ny reny no tomany
Anaty fo mangina
Raha sedra fahoriana
ny zanaka…taranaka !
Fa sambatra ny RENY
Rehefa hendry sy tafita
Izany sombinainy
tena mba nandrandrainy
22 sep 2015
--------
Rohy:
2841 5
Mpakafy: ora - hery - vazivazo - sahia - Vanilia
Hevitra mandeha
Vanilia ( 11/01/2016 14:08)
Marina tanteraka! izany no tena reny
sahia ( 13/01/2016 04:06)
IZANY KA TENA FITIAVAN-JANAKA! mankasitraka ny Reny rehetra. Hainao ry mpanoratra no namoaka ny zava-mianjady amin'ireo Reny. MAHAFINARITRA ilay tononkalo e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ora
Nampiditra : ora
Daty : 09/01/2016 10:04
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149