Minitra sarobidy (Oully)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaka,
Minitra an'alikisa no hiainanao etoana
F'ireto no minitra, mba iriko tsy ho foana

Ilay minitra voalohany raha hitsaika ianao
No nahariana anao ho isan'izao hita izao

Fa tsy haiko hotantaraina raha injay fa reko
Ny minitra hilazana, ny fonao izay hitepo

Minitra sarobidy ireny

Minitra maro tafatambatra no hanjary andro
Io no hitsenana anao ka hahita masoandro

Hifandimby ny minitra, ka ianao hihalehibe
Hanomboka hitsiky, hibada, ary koa handeha

Minitra sarobidy ireny

Ao koa ireo minitra tsy tiana ho tsaroana
Rehefa tsy ho salama fa manaintaina foana

Minitra mafy angamba tsy ho vita an-taratasy
Ilay hisarahantsika hamonjenao lakilasy

Minitra sarobidy ireny

Dia minitra mamy koa hafaliana sesilany
Ho vita ny fianarana, afa-panadinana ihany

Rehefa tonga ilay minitra, hanekenao fitia
Iriko ho tsara indrindra, tsy toy ny ahy tety

Minitra sarobidy ireny

Mety ho fantatrao koa ny minitra toy izao
Hametsovetso silak'aina tsy mbola terakao

Koa raha zary nofy aza ireo minitra ireo
Dia tena sarobidy, satry tsy hifarana eo

Fa minitran'i Neny
Minitra sarobidy ireny

Andamioly
24 jolay 2007
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1772 0
Hevitra mandeha
DRZK ( 26/07/2007 19:22)
Tsara kah ! ... Tongava soa ny vahiny na ho ela na ho haingana e ! hi hi hi . Mbola hisy aingam-panahy hafa indray ianao amin'izay dia izahay hankafy ny soratrao eto foana. Mazotoa e !
Oully ( 29/07/2007 15:07)
Misaotra D. Miara-mankafia eto isika izany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : Oully
Daty : 24/07/2007 19:57
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144