Saro-baliana (Oully)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saro-baliana

Ho setrin’ny tononkalon’i Fx-Mahah: “Hatraiza”?...


Hatraiza ny fetran’ny mandrakizay?

Toa fanontaniana saro-baliana
Sa fanontaniana tsy natao hahaliana
Izao ve no hisaina izany sahady?
Raha mbola lavitra ilay vavahady

Nefa ny tonga toa zary mirintona
Ahitra maina milatsaka an-tany
Ny hoe: “fisiana” tsy aharitra hatrany
Ny lasa sy ho avy no mifanintona

Ka izaho ve no hametra izay rahatrizay
Ny tsy hita maso lazaina fa misy
Sa ireo efa lasa no himpody indray
Hanaporofo izany, saingy indrisy !

Ry saina mandinika
Ry fo tsy tony
Ry fanahy mbola liana
Aoka ny Tompon’ny “misy” nampisy ny “tsy misy”
No handrefy ny valin’ny fanontaniana
Hatraiza ny fetran’ny mandrakizay?


Andamioly

Bagneux, 11/02/2006
03ora
--------
Rohy:
2426 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : Oully
Daty : 11/02/2006 17:09
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1061