You are here: home > Vetso

SERASERA - Oully

Sehatra iray hifankahalalana ny samy eto Gasikara sy ny any am-pita
Eto avokoa ireo famoahan-kevitra, fitiava-namana, kalo, hira sy mozika
Rohim-pifandraisana tsy hifanadinoina ho an'ireo mpiray tanindrazana
Afa-po mihitsy rehefa injay mahazo vahana, amin'ireo fifanakalozana
Satry foana hitsidika ity tranokala, tena vita malagasy, zato isan-jato!
Efa-taona nanabe sy nitafàna, noho ilay Mpahary izay nitantana tsy niato
Ririnina sy lohataona no nanamafy ilay fototra, ho eo ambony vatolampy
Ankasitrahana i Heriniaina Eugène ! Tarigetrany ny hoe: "Tsiky dia ampy"

03 oktobra 1999 - 03 oktobra 2003

Ho solom-boninkazo sy oroka mamy
Am-pitiavana feno!

Mombamomba

Mpanoratra : Oully

Nampiditra : Oully
Daty : 02/10/2003
Mpamangy : 2558
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Sanatriaviko
NY ADIN'NY RENY
MENDRIKA
Loko niofo
Anareo roa
Tsia
Saro-baliana
Ilay
Fanontaniana
Neniko ve ?

Hevitra mandeha

hery (02/06/2009 08:23:54)

Folo taona amin'ity 2009 ity

Hametraka hevitra

Midira aloha