Izay mba takatry ny saiko (Paingotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay mba takatry ny saiko

Izay mba takatry ny saiko
Izay nomeko anao rehetra
Ka nomeko tsisy fetra
nokoloiko, nohatsaraiko

Izay mba takatry ny saiko
Fitiavana tsara fototra
Ka nomeko sy natolotro
Ireo rehetra tena ilaiko

Izay mba takatry ny saiko
Ny hahasambatra azy no tadiaviko
Ny fangatahany ve ho laviko
Raha toa zavatra mba haiko

Izay mba takatry ny saiko
Raha izay no faniriany
Raha izay no fifaliany
Izay safidiny ho hajaiko

Raha izaho ve no mibaiko
Sy mandahatra ny anjara
Dia hipetraka ho tantara?(ve)
Izay mba takatry ny saiko.

Izany aloha tsy haiko!
Fa ny tena faniriko
Rehefa sambatra izy
dia izay no fifaliako
Izay no takatry ny saiko

#Paingotra
--------
Rohy:
785 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145