You are here: home > Vetso

Mianara - Paingotra

¤¤¤Mianara¤¤¤

Mianara ianao ho vatsy
Aza kamo fa mianara
Fa io anie atsy ho atsy
Tsy ho hay izay ho anjara

Maro ireo te hianatra
Amin'izao fotoana izao
Fa tsy izay ilay lahatra
Tsy mitovy amin'ny anao

Ny anao ny fianarana
Ny anao ny fananarana
Natakalo kilalao

...Fa sao anie hanenina
Ny marina tsy afenina
Fa ireo variana nilalao

Mivelona amin'ny halatra
Manao ny fanao
Ka izao no hafatro
Mianara ianao
Eny,mianara.

#Paingotra

Sokajy : fananarana

Hametraka hevitra

Midira aloha