Tamin'izany ianao no tiko (Paingotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin'izany ianao no tiko

Izaho tsy hoe marary fo
Raha hitantara indray
Ireo lasako taloha
Sy ny tantaranay

Fa tadidiko izy ireny
Satria tena nampahory
Satria fitia tsy feno
No tsy nahitako tory

Fa raha nisy sipa
Tena niaina fahasambarana
Tsy nisy ohatr'anao angamba ah

Fa ianao no tsy nahay
Nitazona ny antanana
Sady tsy nahay nikolo
Ny efa mba nananana

Voa avy any ianao
Vao mitady hiverina
Ka nifona,nitalaho
Sy milaza fa manenina

Hoe aza atosika aho
Fa marary sy mijaly
...fa izaho kosa faly

ankehitriny,efa to ny faniriko
Dia tsy nivaky loha namaly
Hoe:''tamin'izany ianao no tiko''
#Paingotra
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1149 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128