Tiko ianao (Paulario)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ny olona tiko.
Maro koa izay efa niriko. Betsaka nefa no be fitia.
Fa ianao no tena tiko akia.
Hitako ianao androany.
Tsy nitsiky nefa tsy nitomany.
Fa mbola ho avy ilay fotoana.
Ahafahako hilaza aminao hoe zaho tia fona.
Ny hilaza aminao aloha tsy sahy.
Fa ny hitia anao tsy mampanahy.
Ka aleoko aloha ho tsiambaratelo.
Amin'izay ny fitiavantsika mifameno.
Mbola ho avy ilay andro.
Na hariva na atoandro.
Ny hilazako aminao.
Fa hoe tiko ianao.
Raha tsy mahita anao aho androany.
De hieritreritra anao sady mitomany.
Na dia eo aza ny halaviran-tany.
Hiezaka fona aho hitazona izany fitiavana izany .
Ekeko anefa fa mbola zaza aho .
ka anefa aza tsaraina ivelany fa ny fitiavako hotran'ny lelan'afo.
Fa indray andro mbola ho tsapanao.
Fa mifameno ny fitiavantsika sy anao.
Talata sahady ity ny andro.
Zaho manonofy anao isan'andro.
Fa amin'io mantsy no mba fotoana kely ahitako anao.
Sady mba anararaotako miaraka aminao.
Fa ny foko anie mbola mitady.
Isak'alina aho tsy tafandry.
Fa raha misy fo mitempo any .
De aleo mba ho anah ihany.
Tonga ity ilay fotoana.
Hilazako aminao .
Fa efa ela no nisoma.
Hilaza aho hoe tia anao.
--------
Rohy:
1982 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Paulario
Nampiditra : paulario
Daty : 17/10/2018 16:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137