NAHOANA LOATRA RE (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHOANA LOATRA RE

Nahoana loatra re ry Adama sy ry Eva,
No mbola nohaninareo ny voankazo voarara?
Izao ianareo voaraoka tao antsahan’ny Edena,
Ilay fahasambarana taloha indro rava.

Nahoana loatra re ry Ingahy Jodasy,
Noho ny sekely telo polo monja;
Natolotrao toy ny mpanao ratsy
Ilay Zanak’Andriamanitra mba tonga?
Voavono Izy, teo ianao vao tra-nenina,
Nefa ho aiza intsony moa?
Ny ngidinao tsy zakanao natelina,
Nanjary nanantona tena fa voa .

Nahoana loatra re ry tia manjana-tany,
Ny fahafahanay mbola sahinao hosena?
Ny voninahitrao sy laza efa potika aok’izany,
Nefa satry ihany hidera tena.
Mba jereo zareo, ny lafiny Fanahy,
Fa io no tena mampandroso.
Satria ianareo raha mampitahy,
Hafa ihany ny manana an’i Jeso ho Tompo.

Nahoana loatra re isika Olombelona
No mifanipaka toy ny valala an-karona?
Ny fiainana ange mandalo sy mihelina,
Sa leo “tantely” ka mitady “vahona”?
Tsy tia lanitra manga fa mila rahona?

PETAKASOA (Zoma faha-30 aprily 2010)
--------
Rohy:
1506 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099