Am-pahanginana (Pissoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Am-pahanginana



Taona firifiry no niainany mangina
Tontolo feno lainga, tontolo mampitamby.
Ny masony mipitra, ny molony efa sina ;
Tsy zoky izy, tsy zandry mba mety hanambitamby.
Hany mba sakaiza ? Ny taratasy sy ny peniny ;
Ka tamim-pahanginana, narindrany ny teniny.


Taona firifiry no niandrasany iry volana
Hanilo irony aliny, hanala fahanginana !
Tonga nefa izy iny, nivatsy andian'olana
Fa ny fenomanana, endrey niofo ho tsinana.
Niofo koa ny tsiky, niavovona ny ankasony ;
Dia indro am-pahanginana, mijohy ny ranomasony.


Taona firifiry moa ny fony no nitady
Namana mahatoky, "zandry" hifampizara ;
Soroka hiantsapazana raha sendra mafy ny ady
Tanana hofihinina raha sendra andro tsara.
Tsy nahita nefa ka triatra ny ati-fony,
Saingy am-pahanginana, niezaka izy hitony.



5 Aprily 2009
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Alahelo
2486 2
Hevitra mandeha
benasy ( 20/07/2009 09:20)
Aza tomany, aza malahelo... fa Andriamanitra mihaino anao ao amin'ny mangingina !
dadarabe ( 20/07/2009 15:11)
Tsara Pissoa à!

Na ho ela na ho haingana
Hisy ny mazava
hitsilo indray ny fiainana
Ny haizina ho rava !

Hisy foana havana
Hanolotra ny tanana
Hitondra koa fitiavana
Ho azo hiantsapazana

Saingy androany aloha
Finoana no vimbino
Toneo hono hoe ny fo
Fa ny Avo tsy hanadino

DdRb
20/07/09
Zozoro ( 20/07/2009 16:51)
Fa angaha dia izao ihay no andro...
Tsia fa misy dimbiny ao...

Mankasitraka pissoa â!

Misaotra e!
pissoa ( 24/07/2009 06:48)
Misaotra e !

Fanamarihana : Karazam-boky novakiako no niandohan'izy io.

@DadaRabe : Dia nisy ny mazava hi hi hi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 18/07/2009 07:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01