Androany Ihany (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany ihany


Raha midoboka ny fo, be ny faniriana
Hamboraka fitiavana
Aza dia kobonina fa ndeha, bitsiho mangina
Ilay irina ho havana.

Tsy fantatrao mantsy ny hafa mety hivimbina
Tononkalo tsara rindra
Ka zary hampietry ny fitiavanao, handrimbona
Ilay felany iny indrindra.

Raha injay mangetaheta ny ati-tratranao
Te hamihina azy mafy
Ndeha ka araraoty izao andro anio izao
Ka aza miafiafy.

Tsy fantatrao mantsy ny hafa mety handalo
Hanolotra ny sorony,
Ka ireny no hitavana ny hira sy ny kalo,
Ny tsiky avy eo imolony.

Raha sendra nefa ianao, hahita azy androany
Lazainy f'efa tara.
Efa olon-kafa na amin'ny tsiky na tomany
No hiombonany tantara.

Hatrakao ny loha, dia aza mitanondrika.
Aza asiana andraso
Fa androany ihany, meteza ianao hamotika
Izay mety ho ranomaso.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2029 1
Hevitra mandeha
Ryana ( 30/01/2009 20:11)
Tsara!
Ohatry ny hoe valin'ity soratsoratro ity...


AMPY HO AHY

Te hanoratra ho anao nefa miahotra ny tànana,
Toa tsy ampy izay ananana hilazàna ny anaty ao;
Aleo apetrako ny penina,
Aok’izao…aleo afenina…

Te hiresaka aminao nefa mibada koa ny lela,
Mamatotra toa tsy mamela ny didy, fomba amam-panao;
Ataoko ampy ny mimaona,
Izaho efa faly, afa-tsaona...

Te hahita anao indray nefa manahy ireto maso,
Sao hosembanin’ny ankaso ny làlantsika tsy ho iray;
Ampy ireo nofy sy vinany
Tafahaona any ambony any…

Te handre ny feonao mibitsibitsika fitia,
Tsy manantena ny “ho doria”, ampy ny hoe “hatrizao”…
Ampy ho ahy koa ny mino
Fa ianao tsy mba manadino!

Ryana
(27/07/08)
Malita ( 08/10/2009 06:55)
Ö ry reto a! tena te hitomany mamaky eto, ireto tononkalo mifamaly marina!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 29/01/2009 11:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109