Any anaty nofiko any (Pissoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any anaty nofiko any



Any anaty nofiko any, izy mihoatra noho ny namako
Izy ilay efa voatokana, silak'aina amam-panahy.
Any anaty nofiko any, ny tanany iny no tantanako
Ary na inona mitranga, izahay mijoro, tsy manahy.

Any anaty nofiko any, izy mihoatra noho ny namako
Ka amin'ny aliko mikitroka, izy ihany no fihiniko.
Any anaty nofiko any, mbola izy no malalako
Voninkazo lohataona, masoandron'ny ririniko.

Any anaty nofiko any, izy mihoatra noho ny namako
Ny hafaliana mba kendreko dia ho azy irery ihany.
Any anaty nofiko any, nomeko azy ny hasambarako
Ary ekeko ho fahoriako irony masony tomany.

Any anaty nofiko any, izy mihoatra noho ny namako !
Ho azy iny no hitempoako fitiavana an-tsokosoko.
Any anaty nofiko any, feno azy ny tantarako
Ka matahotra aho hifoha sao haratra indray ny foko.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2214 3
Hevitra mandeha
benasy ( 22/04/2009 09:47)
Mbola nofy ihany izany...?
Misaotra nampahatsiahy an'i Aina.
Zozoro ( 22/04/2009 20:45)
Misaotra. Tena mahay ny mpanoratra.
Ryana ( 25/04/2009 15:56)
Tsara ê!
Hono ho'aho, tsy mety angaha raha andramana na atosika mba hihoatra ny nofy ireo rehetra ireo mba ho tanteraka?
tsarà!
Ryana
pissoa ( 25/04/2009 20:08)
Mankasitraka anareo rehetra !

Ryana: Aleo hoe anontaniako ny mpilalao ao amin'ny tononkalo hi hi hi. (Sangisangy tena marina.)
Malita ( 08/10/2009 06:46)
Tsar kosa ity tonokalo iray ity, tena tsara, mahay ny mpanoratra
mankasitraka e!
mangamaso ( 08/10/2009 19:06)
Mankasitraka an'i Pissoa fa tsara mihitsy ny tononkalony :)
maeva74 ( 09/10/2009 07:59)
Any anaty nofiko any, izy mihoatra noho ny namako
Ka amin'ny aliko mikitroka, izy ihany no fihiniko.
Any anaty nofiko any, mbola izy no malalako
Voninkazo lohataona, masoandron'ny ririniko.

Kanto loatra izy izany e! Raha sanatria ka nofy izao rehetra izao dia aleo ho nofy ihany e!

Misaotra an'i pissoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 21/04/2009 16:55
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152