You are here: home > Vetso

Fanevan'ny fitiavana - Pissoa

(Nanandrana nandika ny Hymne a l'amour amin'ny teny Malagasy)


Raha indray hirodana aza iry lanitra eny ambony
Ka hikoa izato tany izay hiorenan'ny fisiako !
N'inona n'inona hitranga, mbola ho haiko ny mitony
Raha mbola atokanao ho ahy ny fitiavanao ry tiako.

Raha mbola ny fitiavanao no mamonto ny marainako
Ka eo am-pela-tananao no mihovitrovitra ny vatako,
Dia tsy misy inoako akory ny ahiahy sy ny tarainako
Satria ianao no mitia ahy, O ry tokan'ny fitiavako.

Ho ery am-paravazan-tany aho, ka ho alaiko ho anao ny volana
Hangalariko ho anao ny hareny eny an-tanan'olona !
Ny tanindrazako, na namako, eny "Izaho" koa aza hafoiko
Raha izay no sitrakao, ry efa tompon'ity foko.

...

Mety ho avy ny fotoana, ianao hiala lavitra ahy
Fa ny lahatra sy anjara no indray nanao letrezana !
Fa raha tia tokoa ianao, dia aza manana ahiahy
Fa ny fitiavantsika roa tsy ho ravam-pahafatesana.

Mainka ho manga aza ny lanitra, fa tsisy fetra ny fotoana
Hahafahantsika mianoka ilay fitiavana tsy ritra
Rehefa any am-paradisa ny fontsika no mihaona !
... Ka manontany anao ny foko, moa mifankatia isika ?


Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

kiriah (22/09/2011 13:04:52)

tena tiko !

Zozoro (22/09/2011 19:15:12)

Tena hainao pissoa ny milaza aizy. Misaotra e! tena kanto tokoa!

J.Jacques (25/04/2013 22:23:00)

Mankasitraka fa tena mahafinaritra!

IaroMalala (27/04/2013 09:54:25)

Tsara be r'se a! kanto! afa-nenina ny foko e! tsy misy ambara ankoatra ny "MISAOTRA BETSAKA" sy ny hoe " TOHIZO" aho hatreto! Mirary soa betsaka!

pissoa (30/06/2013 18:26:22)

Mankasitraka e !

kantoko (22/08/2013 12:53:18)

tsara be

Lalaina121a (13/03/2014 13:08:52)

Misaotra fa tsara e!

Hametraka hevitra

Midira aloha