You are here: home > Vetso

Hiangaro - Pissoa

O ry Jesoa Zoky,

Iny zandriko iny, mba hiangaro kely
Hiangaro be mihitsy e ! Raha toa ka sitrakao
Ny lalan’izy iny ho temerinao anjely
Mba hiambina azy ! Na hiara-milalao ?

Ka izy ireny anie no hitondra irony vavaka
Hasandrany isan’andro, s' irony adin-tsainy !
Iraho ireny hankahery raha sendra valabalaka
Iraho hiara-miandry ny fiavin’ny marainy.

O ry Jesoa Zoky, mba hiangaro hoy aho
Ka hody hafaliana izay rehetra hisasarany
Fa fetiny androany, tsy efa fantatrao ?
Hiangaro, ho feno fatra irony hasambarany.

(Jolay 2013)

Sokajy : Fianakaviana, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha