Ho anao (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao,

Ilay nanome ny anarako
Somary lava, tena raitra.
Ilay nanoro ahy ny lalako
Ho tsotra, tsisy aitraitra.

Ilay nampianatra ahy nivavaka,
... Na dia tanana havia.
Ilay nanampy ahy nanavaka
Ny paiso sy ny voatabia.

Ilay mpandrandrana ny voloko,
Rehefa iny i Neny fa sahirana.
Ilay nameno ny tontoloko,
Ka na ny namako aza kirana.

Ilay mpiray tsikombakomba
Manao fety ho an'i Neny.
Ilay nanoro ahy ny fomba
Amam-panaon'ny firenena.

Ilay mpisangy isan'andro;
Nefa koa mpananatranatra.
Ilay manery ahy hitandro
Izay natsangana ho filamatra.

Ilay nikaroka hatraiza
Izay harapak'ity vavako.
Ilay ray niteraka, nitaiza;
Tena namana sy havako.

Eny, ho anao no hanoratako,
Fa tsy ataoko ankilabao.
Ho anao no anandratako
Izao tonom-bavako eto izao.

Izy Tompo anie hanampy
Amin'ny adidy atrehinao.
Handry ivohom-batolampy,
Amin'izay alehanao.

Izy Tompo anie hitahy
Ny androm-piainanao rehetra.
ka handalo ny ahiahy,
Fa hafaliana no hitoetra.

Izy Tompo anie hitsimbina
Ny vady sy taranakao.
Izy ihany koa no hivimbina,
Ka ho ela velona ianao.


Pissoa (28 Mai 2006)
--------
Rohy:
1782 2
Mpakafy: Raharimanana - ama
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 28/05/2006 21:14)
tsara be Pissoa a!tohizo
pissoa ( 29/05/2006 08:45)
Misaotra an'i fiaritiana ...
ANARIM ( 07/06/2006 08:42)
Pissoa : raitra, tiako! tohizo! mahereza!
pissoa ( 18/06/2006 09:12)
Misaotra an'i ANARIM.
winner ( 02/10/2007 21:31)
Azoko atao fanomezana ho an'i dadanay ve io tonokalo io ry Pissoa ? Sa henjehin'ny OMDA za ? Mino aho fa hankasitrahany an !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 28/05/2006 19:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152