Iza no diso ... (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza no diso?

Tsy mba nanana mpiahy fa vao terak'izy dia kamboty.
Nolavin-dray, tsy velon-dreny ka natory teny an-dalana.
Tsy mba nahazo tambitamby, tsy nahalala izay niangoty.
Tsy mba nisy nanabe, tsy mba nandia izay fianarana.

Niandrandra fahalalana, saingy indrisy tsy nomena.
Mba niandry ampiantranoina fa ny azy lanitra no tafo.
Raha mba te hisolo akanjo dia mangalatra eny an-tsena.
Mitsindroka no fivelomany, fako no foto-tsakafo.

Tsy nisy nahakasika azy izay fombafombam-panjakana.
Ny nanome ny anarany aza dia ireo mpiara-mikirimba.
Tsy azony an-tsaina akory ny fisian'izay lalana,
Na ny andalana hanasazy na ny hiaro azy tsy ho simba.

Tamin'ny toerana nalehany, nampangaina izy ho ratsy taiza.
Moa ve nefa mahagaga, f'iza moa no hanao izany.
Ny tontolo nifehy azy dia ny etraketraka sakaiza,
Izay kely azo teny an-dalana no fara-tampom-pahalalany.

Izao izy an-tranomaizina, satria hono ... malaso,
Mpanakorontana ny tany, manjakazaka am'tsy azy.
Tena rakotra haratsiana, tsy mahay hafa-tsy ankaso,
Sady izay tena masiaka, tsy mba tia mamazivazy.

Mendrika azy aloha ny sazy e,
Nefa izy irery ve no diso?

Pissoa (23 Jiona 2005)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fahantrana
2223 2
Mpakafy: rapisoukely - lapino
Hevitra mandeha
rapisoukely ( 23/06/2005 21:23)
Tohana ny fo, inona no anjara adiditsika entina mamaha sy manavotra ireo hafa mbola miaina toy izao?
nyeja ( 01/07/2005 12:46)
tsara pisoa a miaina ilay tononkalonao ,
fa misy tenin'andriamanitra hoe ny mahantra dia hisy foana eo aminareo ka ny azoko ambara dia hoe manao izay azo atao manampy fa ny hanafaka azy rehetra tsy vita angamba ry rapisokely.
ny eja
lapino ( 13/12/2005 11:18)
Iza no diso?

Mampi-te hamaly le fanontaniana, fa tsy hita izay havaly azy!

Milay ilay tononkalo ka!
winner ( 02/10/2007 21:26)
I Clo Mahajanga koa aloha nanontany hoe "iza no diso",saingy ity an'i Pissoa ity no sarotsarotra valiana
R-SITRAKA ( 11/07/2011 09:20)
tsy hanome tsiny azy aho aloha satria efa hita fa izay no lalana mba hainy .iza no nanabe azy?. Tompoko mila famonjena ireny olona ireny
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 23/06/2005 20:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015