You are here: home > Vetso

Izy iny - Pissoa

Izy iny !

Lisy kely mahalala izany hoe mihitsan-dravina,
Voninkazo tsy afa-tsaona ;
Nefa mbola manantena f'ity ririnina diavina
Mbola hiofo ho lohantaona.

Kintan-kely te hamiratra fa sinangin'orambaratra
An-davak'haizina mihalalina ;
Nefa mbola manantena fa tsy ho lefy irony taratra
Tiany handravahana ny alina.

Eny, izy iny ...

Ilay nitia anao an-jambany ka nibaby fanenenana
Sy nitrotro ratram-po !
Nefa mbola manantena ka miady ny hiverenan'
Ilay tsikiny taloha.

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hevitra mandeha

Zozoro (29/10/2011 18:31:16)

Misaotra pissoa a! tiko be

Izy iny...
Ilay nanome toky ka dia nitanisa ny paradisa fanamperana
mirakotra ny marina ary koa ny idealy tsy azon'inona toherina
Kanefa indro lasa ...angamba diso lalana ... sa tamberi-tany ?
Ny faniloko mirehitra mitsinjo azy foana mandra-mpiveriny any ho any.

tiarah (08/11/2011 14:13:00)

Kanto kely ery!!!

hery (15/06/2013 15:43:45)

Kay ity ny tononkalo farany napetrak'i Pissoa :-)
Fa aiza ny sasany?

raozigasy (15/06/2013 19:58:53)

dia aiza i pissoa ???

pissoa (16/06/2013 10:48:10)

Hihihi, ito ihany aho fa efa ela be tsy nanoratra.

raozigasy (16/06/2013 23:02:58)

fa taiza ianao Pissoa
izahay tato vaky loha
nikaroka ihany
hay ianao ka tany !!!

winner (03/12/2014 22:37:13)

De aiza ho aiza izao
Zay mba vaovao ?
Tsy hoe ratsy ny taloha
Fa aleo mba hifoha
Ny aingam-panahinao
Fy hatram'izao

Hametraka hevitra

Midira aloha