Miandrandra Anao - Pissoa

Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Date: 21/12/2006
Mpamangy : 884
Isa : 5
Fidio :







Miandrandra Anao

Indrisy tongo-bakivaky - sisa ezahiny afindra,
He, mikentrona izay tsy izy ilay hodi-tavany nalama,
Efa tonta, misaritaka ilay fitafy mba nirindra ;
Fa mpisakaiza mantsy izao izy sy "Rafahantrana".

Mba niezaka izy handroso, nikiry biby ny ho tafita
Saingy tsy afaka manoatra fa mbola be ireo mpanambaka ;
Ny eo an-tanany mazàna, vao mamiratra dia tsy hita,
Na tiany hiverina aminy aza, "hena eny an-tanan-tsaka" !

Iretsy zanany malala, toa tsy sasatra "mitraotra",
Toa tsy hahita izay harapaka raha tsy miady, mifamotika.
Irony vitsy tena tia, mila tsy ho afaka hampivoatra
Fa totofana herisetra, sangy ratsy mahalotika.

Ka tonga indray izao ny noely, andro iray hankalazana
Ny nahatongavanao ho nofo, ô ry Tompo fiereko.
Ka aza avela hivary lavo ilay sakaizam-pahantrana
Fa tongava nofo ao aminy : miandrandra Anao ny fireneko !


Pissoa

Sokajy : Tanindrazana, Vavaka

Hevitra mandeha

randjy (29/12/2006 16:50:13)

kanto koa raha kanto ny rindrampeninao mampihetsipo tomany mahatsiro fahazazana

pissoa (03/01/2007 06:15:40)

Misaotra !

Hametraka hevitra

Midira aloha