Nahoana (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasalasa indray ny saiko
Manontany, Mitadidy;
Taiza moa ianao no haiko?
Nahoana aho no nisafidy
Nandray anao mba ho namako?
Ho ratsan'ny tanana an-kavanako?

Angamba hoy aho ny anaranao
No mahasarika avy hatrany?
Na ireo mahaliana anao
No hitovizantsika ihany?

Angamba koa ireny hevitra
Asehonao: misari-matotra;
Ilay fiteny tena hentitra
Sy sangisangy mifamatotra?

Tsy inoako ho noho izany nefa
Raha taminao aho no niantefa.

...

Fa ho inoko, iky, moa izany
Ref'iny ianao mizara tsiky
Mitantara ny tomany
Miadiady, mitokiky?

Ka aleo tsy asiako ho "nahoana?"
Mba ho namako eny foana.

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Fiaraha-monina
1626 0
Hevitra mandeha
gasoil ( 20/01/2007 19:03)
tena tiko ilay tonokalo " nahoana ? ? ? no izy" tena tsara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 05/08/2006 11:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716