Nofinofy lavitra (Pissoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofinofy lavitra

(Nanandrana nandika ny Lanquan li jorn an'i Jaufre Rudel amin'ny teny Malagasy)

Rehefa injay nitsaika ny harivam-pahavaratra
Ka manenika ny lanitra ny kalokalom-borona ;
Nosakambinin-drahona ilay volana tomaratra
Dia nentiny aho hanjohy ilay tsy azoko tomorina.
Manjohy an’eritreritra ilay tsy hitako hofihinina
Ka ny kalom-boron-kely no zary mandririnina.

Tendrin-njanahary ? inoako marimarina
No hitempoan’ny foko fitia feno fatra.
Lavitra izy nefa, ka tsy haiko nofantarina
Fa ny fitiavako azy ho zary lefona ao an-tratra.
Inay aho mba mpivahiny, an-taniny no handilatra,
Ka hitopian’ny masony, kanto sy mamiratra.

Toa tsapako sahady ‘ty fo midobodoboka
Hono Zanahary, mitady izay hialana sasatra ;
Mainka moa raha izy no vonona hiantsoroka
Ka miangavy hampiatrano ny fitiavako avy lavitra.
Safononoka aho, handre ny angolan-teniny
Revo antsefatsefaky ny lanitra faheniny.

Ny lavitra azy anie, Zanahary, ka tsy toha
Ilay andrian’ity foko tsy ho takatro takarina
Fa na hihanika havoana aho, hanitsy fefiloha
Dia mbola lavitra izy ka ny fo no fanimpanina.
Sotroiko am-pahanginana ny ngidin’ny tanteliko
F’Ianao no aoka hanaisotra ity kapoaka keliko.

Fa hataoko ahoana moa ny hahita fahasambarana
Ankoatra ilay fitia navelanao hiatsampy ?
Zary fanamperako izy, tsy haiko omena anarana
Fa izy anie no andriako, izy hoy ahy no sampy.
Hanompo ny mpanompony aho raha izany no takiana
Hahafahanay mihanoka, miandrandra taona zina.

O ry Zanahary, meteza re hihaino,
F’Ianao no nampitrebona fitia tsy hay tomorina.
Tolory re ny faingoka hianiako ny laingo
Hahazoako mankafy ireo kalokalom-borona.
Ka na anilan-trano bongo aza izahay no hiorim-paka
Ireny kalokalo ireny no hampody izany ho lapa.

Eh,
Toa zary nofy ihany itony fanirina
Ny razako fahiny no efa naminavina :
Ho tia aho fa tsy ho tiana.

Jolay 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2702 1
Mpakafy: nanjatianaliah
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 06/08/2013 08:19
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145