You are here: home > Vetso

Ny hany tafatoetra - Pissoa

Ny hany tafatoetra

Tao ambadiky ny traotran'ny foko be taraina
Ambadiky ny dinitry ny saiko tsy nisaina
Misy finamanana toa navelako hihenahena
Izany mba fikiriny, nodiako tsy jerena.

Tao ambadiky ny teny tsy mba voalanjalanjako
Ambadiky ny ankora sy ny finantsanantsako
Misy finamanana toa notereko hangina,
Ny antsony rehetra nodiako tsy valiana.

Tao ambadiky ny soratro, ireny vatravatra
Ambadiky ny hambo nitambolona tan-tratra
Misy finamanana toa navelako handohalika !
Ny masony nitopy, zary novaliako harika.

...

Nefa ny hany marina, ny hany tafatoetra
Tao ambadiky ny hotaky ny amiko rehetra ?
Io finamanana io, io no niriako hamelana
Handresy ny endri-dratsin'ny fitia diso toerana.

Sokajy : Fitiavana, Namana

Hevitra mandeha

Zozoro (05/08/2011 11:42:44)

Misaotra pissoa !

Nofy2 (19/07/2013 10:07:26)

mankasitraka e!

Hametraka hevitra

Midira aloha