Rakitra (Pissoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroanao ve ilay tiako nolazaiko anao
Fa nafeniko ny anarany ?
Tadidinao ilay izaho naka pejy vaovao
Hasiako ny tantarany ?
Ny tantaranay roa !

Tadidinao ny alina isan'Asabotsy ?
Fametrahana ho tahiry
Ny takarivanay, angola, rotsirotsy
Fitia makadiry.
Nandrianinay tokoa !

Tsaroanao ny vinitry ny tànako fahiny ?
Nisy dian-dranomaso ...
Sy ny redirediko nitady omena tsiny
Fa tonga indray ny ankaso.
Niady mantsy izahay !

Tsy adinonao angamba ireo sary petapetaka
Navadiko isan'andro !
Na ianao voafihina rehefa izaho mipetraka
Sy manonofy atoandro.
... Fa manina azy indray !

...

Tsaroanao ve ho'aho ry boky fanoratako,
Tadidinao daholo ?
Fa hohadinoiko mantsy sao ho zary ratrako !
Fa efa bobongolo
Sy niofo ilay fitiavany.

Ka ianao no hitahiry ny hanitry ny omaly ;
Ianao no hahafantatra
Fa nisy, tena nisy fitia nifamaly
Tamiko sy i Vahatra.
... E, izay ilay tena anarany !


Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fitiavana
1659 0
Hevitra mandeha
vanjanofy ( 27/04/2007 13:48)
Ny tsiaronao?
tsapako eto izao!
Haiko sary an-tsaina
azoko hazavaina
ary sahiko lazaina
fa RAKITRA tavela
voasikotra ao am-po
.....atao ahoana moa?
izany no FITIA !
raozigasy ( 27/04/2007 16:01)
Raha toa ka tianao
Dia ampiako ianao
Hampirina hitahiry
Ity fitia mankadiry

Raha toa ka sitrakao
Dia ampiako ianao
hanokatra , hanoratra
Boky lavitr’holatra

raha toa ka ekenao
dia ampiako ianao,
hamoy miandalana
ity fahalavoana an-dalana

raha toa tsy lavinao
dia ampiako ianao
hitsiky ho an’olon-kafa
ka hanova tafa

raha toa manaiky ianao
dia zaraiko anao
ireo traik’efa mba azoko
fony rava irony vazoko

ka hampahery anao
izao hafatro izao
izay lasa aleo ho any
ny anjaranao mbola any !!!

nikopol ( 27/04/2007 18:37)
Fa ahoana koa zany adin'i Vahatra zany ?

sao mba azo darohana i lery
sitlo ( 29/04/2007 01:32)
hahaha
pissoa ( 29/04/2007 13:00)
Vanjanofy : mankasitraka !

Raozy : Olala ! hihihi. Mankasitraka hatrany !

Niko : I Vahatra mahay karate be an :-P

Sitlo : inona ity mampihomehy ? hihi
pissoa ( 29/04/2007 13:01)
mankasitraka ny mpandalo :-P
SOBIKA ( 09/05/2007 14:02)
pisso: fiaina daholo izany
ary satria ity fiainana ity feno ratsy sy tomany
dia aza kivy mitraka hatrany

raha izy no nandao;aleo handao raha lao
tsy mahasoa tsy mahatsara fa mbola misy ao
mivadika ny pejy mirakitra ity ratra
dia ho tsiky indray no handravaka izato takela izay manaraka

mazotoa
mignone ( 10/05/2007 12:43)
hay ve i pissoa mahay manoratra be toy izao !
nikopol ( 15/05/2007 10:58)
pissoa ary noheveriko fa ping pong no hain'i vahatra ?
pissoa ( 17/05/2007 18:15)
Sobika : mankasitraka !

mignone : tsy haiko, hi hi hi ! misaotra e !

nikopol : hainy koa io ka :-P
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 27/04/2007 13:21
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156