You are here: home > Vetso

Ry Lohataona ! - Pissoa

Veloma hono hoe r'indray lohataona
Niravoravoan'ilay fo mbola bodo ;
Fa anaty ririnina izao no misaona
Ilay raozy tanora, ka toro sy hoto.

Ilay lolo nataony ho sakaiza hono hoe
Mba nanome toky ny fony hifangia ;
Hay landinkala no hany kofehy
Nekeny handrandranana itony fitia.

Tsy sarotra akory hono hoe no namoizany
Ilay raozy kely efa zatra nisangy !
K'irery izy any, zary handihizan'
Ireo ranon'ando, ireo hany mpamangy.

...

Ka haingàna hono hoe r'ilay lohataona
Hiravoravoan'ity fo savolaina.
Fa leon'ny ririnina hoe, leo misaona,
... Haingàna hampitsahatra itony taraina.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Zozoro (03/09/2011 10:57:09)

Aza kivy fa ho avy ilay lohataona vaovao e!

Misaotra nizara.

pissoa (05/09/2011 11:34:09)

Tsy misy fisaorana e ! Misaotra mamaky ;)

Zozoro (05/09/2011 20:41:51)

Kanto tokoa ny haisoratrao pissoa a! mankalaza anao hatrany aho.

Zozoro (08/09/2011 20:47:29)

Manorata hatrany pissoa a! mahafinaritra, alefaso ny manaraka fa aza miandry ela re e!

tena kanto anie ny vetsonao e!...

Hametraka hevitra

Midira aloha