You are here: home > Vetso

Milalao afo - Pissoa

Embona, tsiahy
Nofohaziny daholo ;
Ny sainy sahisahy
Mitety ny tontolo,
Mitady indray ilay afo
Asa ...
Fa toa tiany hanafosafo
Ny lasa.

Tsiky, tomany
Mivadika, mivadika !
Fo mananihany
Mitsiky sy mangarika ;
Mitanintanina afo !
Asa ...
F'injay manafosafo
Ny lasa.

Mamongotra, mamikitra
Ny tsiarony rehetra ;
Manditsoka, mandifotra
Ny fony velon-tsetra !
Ny fony mihorohoro,
Voarasa ...
Fa fitia mbola mandoro
Ny lasa.

Sokajy : embona

Hevitra mandeha

tiarah (02/02/2011 11:22:42)

Mahafatifaty nefa mampitaitaina inty fo kely miomana ny ho voaratra indray e!
Mankasitraka pissoa a!

pissoa (04/02/2011 10:02:39)

Azafady, mampitaintaina hi hi hi.

hasiniony (05/02/2011 11:38:52)

...
Misy hevitra ratovina
Misy zavatra tovozina
Ary noho ianao Poeta
dia misy foana ny hetaheta!

Hametraka hevitra

Midira aloha