Tanteraka (Pissoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanteraka


Na inona mitranga, na inona midona
Na toa tomefy tsilo ny lalana diavina
Na efa ho ritra aza hatramin'ny finoana
Dia aza hadinoina izay nekena hotiavina.


Na inona ho ratra, na inona hirifiry
Na ho vy na vato mianjady ao am-babena
Na inona tsy ho zaka, meteza ianao hikiry
F'aza atao tsifoifoy ny fitia efa nomena.


Na ny tsiny, na ny tody mandindona ny saina
Na ny lasa hitambesatra, ny ho avy hampitomany
Na dia tsy antenaina intsony ny hiavian'ny maraina
Izay nekena hotiavina, tiavo hatrany hatrany.


Na ny "aminao" rehetra aza no takiany, ovaina
Eny ! na dia voa tsy ary no angatahin'ny fitia
Dia avelao hiofo ny "vatana, fanahy sy aina"
Fa ny fitiavana no aleo hamiratra ho doria.


6 Marsa 2009
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1828 0
Hevitra mandeha
atonamia ( 17/03/2009 11:53)
N' inon' inona midona, n' inon' inona hitranga
Ho eo anilanao aho, hameno 'reo 'zay mety ho banga
Hampahasambatra anao, hanome fifaliana
Ianao irery no ho ahy, ianao foana no ho tiana
Malalason ( 27/03/2009 09:36)
Pissoa!
ny fandeferana hono manampetra, ny finoana tsy arahan'asa de zava-poana; noho izany na nekena notiavina aza de voatery hadinoina, ra ny voatsiarin'ny fitia no tadiaviny amiko mety ho vitako ihany; fa ny fanontaniana mipetraka de hoe : "ny voatsiarin'ny fitiavako ve azoko angatahina aminy ihany koa?" de aiza izany ilay hoe : "fitia mifamaly mahatsara fihavanana"
efa mba nitia ihany aho mantsy saingy indrisy....angamba tsy nahatohitra sy tsy nahatanteraka ireo voatanisanao ireo (ekeko fa tsy misy ny tanteraka)
NB : hevitro manokana io ka ra tsy mety de ny teniko ariana fa aza ny tenako.
ok!
aiglefort ( 09/03/2010 08:57)
Tsara ilay famoahana ny ao am-po amin'ny tononkalo fa amiko kosa rehefa tantara lasa dia aoka ny lasa hijanona ho lasa e, anao aller-retour foana ve amin'ny fiainana jereo izao mahazo ny firenentsika izao. Amiko misy zavatra betsaka avy amin'ny toetsain'ny malagasy izao ary anisan'ny ny fahazaran'ny gasy miverimberina amin'ny lasa.

Amiko aloha ny fitiavana rehefa vita dia tokony samy vita fa manjary manimba fiainan'ny tsirairay aminn'y ho aviny ny fiverimberenana. Rehefa tsy mety ko dia tsy mety.

Tsara le tononkalo ry pisoa a, fa mila mahafehy ny fo izay natao ho fehezina tsara ny olona mba juste tononkalo io fa tsy hoe hiainana
pissoa ( 09/03/2010 15:11)
Hi hi hi, tsy haiko raha izaho no tsy mahazo ny tian'i Aiglefort lazaina, na i Aiglefort no tsy nahazo ilay tononkalo.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 16/03/2009 11:31
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146