Tsy Ho Hadinoko Ianao (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho hadinoko ianao

Any andro, any volana
Tsy eto an-tany ny "Doria" :
Mety hivoha ity mba fatorana
Na horavana ilay fitia.

Mety hisy koa fotoana
Hoe tena mamy ilay fitiavana
Saingy tsy afaka mihaona
Tsy afaka hifampitantana ...

Fa tsy ho hadinoko ianao.

Ny bedibedinao maro,
Ny hatezeranao mafana,
Irony fahasarotam-piaro,
Ireo ranomaso izay tsy tana ;

Ny vinavinantsika roa,
Ireo nofinofy nozaraina,
Ny sangisangintsika koa
Hitamberina ao an-tsaina !

Ka tsy ho hadinoko ianao.

Ireny rehetra rehetra ireny
Sy izay rehetra mbola hatao
No samy hampatsiaro ombieny,
Hitantara ilay "Izaho sy Ianao".

...

Ka raha hisy ny fotoana
Isika tsy afak'hiara-dia :
Na tia fa tsy afaka mihaona,
Na efa rava ilay fitia ...

Dia tsy ho hadinoko ianao.

Pissoa
(Feb 2007)
--------
Rohy:
2226 1
Hevitra mandeha
nikopol ( 22/02/2007 09:23)
ountss mampanantena tsy misy fotsiny
pissoa ( 22/02/2007 09:32)
ka raha fampanantenana tsy misy ve no ilainy amizao ... maninona raha mba atao ?

Hihihi, tapa-tsinay za :)
hery ( 23/02/2007 09:05)
inona anefa no tombony ho azo amin'ilay tsy fanadinoina? Hoe rehefa mihaona tampoka ve dia ohatry ny hoe tsy nifandao? Hmmm :-w
tynah ( 23/02/2007 20:01)
Mbola tia izy matoa tsy hanadino satria soa ny nifanaovana.
cialaurie ( 10/07/2007 06:13)
marina ny anao ry pissoa, fiainana mandao ity
piste ( 04/09/2007 03:41)
Hafa ihany hono ilay voalohany
winner ( 02/10/2007 20:23)
Snif..Mbola misy afo azo velomina ihany zany any aoriana raha sendra miova hevitra koh
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 20/02/2007 20:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104