You are here: home > Vetso

Tsy holazaiko - Pissoa

Tiako ianao fa tsy holazaiko
Na amin’ny masonao nitopy, ilay mangalatra fijery
Na amin’ny tsikinao tsy tana isaky ny mifanena
Na amin’ny tananao niatsampy, ka namihina amin-kery
Na amin’ny molotrao nibitsika fa mbola miandry, manantena …

Tiako ianao fa tsy holazaiko
Na amin’ny masoko manjohy ny fihetsikao rehetra
Na amin’ny tsikiko tsy tana, nasetriko ny tsikinao
Na amin’ny tanako nioty ny fihinao mahery setra
Na amin’ny molotro maniry hamaly irony bitsikao …

Eny, hatramin’ity foko maniry anao mba ho malalako
Amin’izato bitabitany f'injay ny anaranao tsaroany.
Izy indrindra no tsy foiko hitomany indray, fitiavako
Ka handaingako tsotra izao fa tsy ho anao no hitempoany.

Tiako ianao fa tsy holazaiko

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Skual.R (30/06/2013 19:05:20)

Ntsôy e!

winner (03/12/2014 22:26:40)

Tena tsisy noforonina na nampiana na nanalana

Hametraka hevitra

Midira aloha