You are here: home > Vetso

Vavaka hariva - Pissoa

.. Andriamanitra ô !

Ireo tsy mba niangaran’ny fiainana eto an-tany

Ireo zanakao kamboty, miondana tomany

Ireo tsy manan-kialofana fa lanitra no tafo

Ireo izay mandry fotsy fa tsy omban-tsakafo

Ireo tsy manam-bola hitsaboana ny marariny

Ireo zanakao migadra, nomelohina tsy ara-drariny

Ireo namoy zanaka fa miaina an-tany miady !

Ireo mila ho resin’ny olana mianjady…

Tompo ô !

Hitsikio kely na iray minitra monja

Ho tsapan’izy ireny ny Fitiavanao mafonja.

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha