NY ZANAKO (polygasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ZANAKO
Ny zanako, zanako ihany
No andaniako ny herim-poko raha mbola eto an-tany,
Hokolokoloiko sy safosafoiko
Ataoko toy ny kely ka mbola ampofoiko.

Ny zanako, zanako ihany
Na sendra maditra ka mampitomany
Tsy atakaloko ny hafa
Fa mamiko hatrany

Ny zanako zanako foana,
Ny fiainany koa alamiko foana
Ka na misy mahory na misy manjo
Tsy avelako izy irery no hivaky loha

Fa ny zanako zanako ihany
No handaniako ny herim-poko sy fananako hatrany
Ka raha mbola velona ny aiko
Ny zanako no tena lalaiko

Izao no hafatra apetrako ho an-janako
Fa raha zavatra mbola vitan’ny tanako
Dia apetrako ho lovan’ny taranako
Miaraka amin’ireto sora-tanako
RFP 06/11/10
--------
Rohy:
4677 1
Mpakafy: rasolofomananad
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : polygasy
Nampiditra : polygasy
Daty : 28/02/2011 13:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1089