vinaniko (Princy.Rt)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ry diam-peniko, no lalam-piainana
alehako
Ianao ry teny mamiko, no tabiha sy
reharehako
Ianao ry teny malagasiko, no fizarako ny
hetaheta
Ianao ry teny kanto indrindra, no nahatonga
ahy ho poeta
Ianao ry teny izay tsy foiko, no fizarako irony
vetsoko
Ianao ry teny tonga lafatra, no hitantarako
izato sentoko
Ianao ry teny nolovaiko, no tena tenin-
dreharehako
Ianao ry teny holazaiko, no anambarako ny
firehako
Ianao ry teny manan-jina, no manasina ny
vavako
Ianao ry teny feno haja , no mamatotra ahy sy
ny havako
Koa ny toky omeko anao, ry tononkaloko ry
teniko
Ny voady ataoko aminao, ry kanto lova avy
amin-dreniko
Dia matokia hatrany ianao, raha mbola tany
koa ny tany,
Fa tokana ny Teny tiako, ilay Teny Malagasy
izany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
547 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Princy.Rt
Nampiditra : ranariveloprincy
Daty : 01/12/2016 13:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165