Andraso any am-pasana (R.A.N)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa raha misy mahatsapa ny zavatra tsapako
Dia tsy ho kotsan-dranomaso intsony ny tavako
Fa raha misy maheno ny fitresaky ny foko
Dia zay vao afaka amiko ireo toloko
Fa raha misy mahita ny fivontony ao anaty
Dia foana avy hatrany ny zava-tsy tanty
Saingy indrisy fa na mikikika azy tsy misy mahare
Saingy indrisy fa na misendotra aza ny sasany ihomehy
Saingy indrisy fa takona ao ka tsy mety tafavoaka
Ka vao may lavahan'ny sasany ny ratra efa goaka

Tsy tsapany mihitsy hoe ireo teny avoakany
Mandratra avy hatrany ny foko efa goakany
Tsy hitany akory sa odiany tsy hita
Ka averina foan ny latsa efa vita
Fa na efa mifona mihaiky fa diso
tsy asiany vidiny na hifona impito
Fa ny teny maharary tsy voatanan'ny fony
No afindra aty amiko mba tsy ho azy intsony
Fa na hitaraina sy hiferinaina
Tsy rarahiny izany na dia hiatra aman'aina
Asa raha izany no atsoina hoe fitia
Raha sendra diso dia maloto hodoria
Fa ny famelany no hany mba nandrasana
Lazaina any anaty oe andraso an ampasana

07.08.18
R.A.N
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
811 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.A.N
Nampiditra : Avotra Niaina R.A.N
Daty : 12/08/2018 19:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013