You are here: home > Vetso

Aleoko…. - r.epsilon

Aleoko aloha mangina,
Miseho tsy be kirina !
Raha ny “ tsy miteny ”
No antoka  hanekeny!

Aleoko aloha mandady,
Mamerina azafady!
Raha ny “ alan-tsiny  ”
No fenitra takiany!

Aleoko aloha milefitra,
Mandositra any an’efitra!
Raha mbola tsy an’erany,
Ny tenin-katezerany!

                                                   Fa raha tsy  mbola tsapany,
                                                   Ny ezakin’ ny papany….
                                                   Hiseho ho  be fikiry,
                                                   Hanohy hiziriziry………..

Aleoko indray mibontsina,
Mitodika lamosina!
Rehefa tsy homeny,
Ny  “  tena fikabeny ! ”

Ho inoko akory,
Zay handry tsy matory,
Ambony  farafara….?
Raha “ ondana hanara  ” ???

........................................................

Azy indray ny azy,
Raha hitomany sazy,
Hidongy lavareny….
No tanjona kendreny!!!

Aleoko dia misaraka,
Tsy misy kiarakaraka…
Toy izay  “ tsy ho afa-tsaona  ”
Ho boka heritaona!!!

                                              r.epsilon       Brazzaville    Febroary  2014

Sokajy : Fitiavana, Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha