You are here: home > Vetso

Bandy mafy ady! - r.epsilon

Bandy mafy ady!

Nifanaraka ihany ny tadin-dokanga,
raha toa ny fitia tsy mijery saranga!
Fa ny ahiako dia sao any indray no hianjady
ny ngidin'ny fiainan'ny bandy mafy ady!

Ny fo mantsy hono mazana mamitaka!
mora manaiky, fa tsy ela misitaka!
Koa dieny tsy tonga ny tahak'izany,
dia tsara ho anay raha "mpinamana" ihany!

Sady fefy mideza tsy ahafahazo midify
Ity zava-drehetra efa manan-tandrify!
No ahiako hivadika hitondra sahotaka,
Vakana hatsipy kisoa feno fotaka?

Ry fo mitonia, aza tsiny azafady!
Tsy ianao no tsy tiany fa izaho no mafy ady!
Fa matoa aho nandà tsy ho rojoam-bolamena,
dia noho izy lafo tsy zakan'ny tsena!

Ry tsiriry nandalo, ry diso farihy!
Revom-potaka aho ka tsy ahafahanao mandihy!
Fa faingàna mamonjy ny rano maria!
Dia ilaozy 'ty foko naratram-pitia!

                       r.epsilon
                       Vontovorona,  Martsa 2000
                      

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha