Vavaka (r.epsilon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavaka

Ry Tompo Masina indrindra, miantso ny Anaranao aho!
Tsy kabary tsara rindra,fa vavaka omban-talaho!
Nanenina noho ny ditra, notodian'ny ratsy natao!
Koa indro fa nibaby kitra,vonjeo ny zanakao!

Indro atolotro ny foko, diovy ka mba sasao,
Jereo fa marokoroko ny tseroky ny ota tao?
Mba iraho ny Fanahy, hitoetra ao indray!
Hitari-dalana ahy, tsy hiala Aminao ry Ray!

Ry Tompo ô, mba henoy,izao fivavako izao!
Aoka Ianao tsy hahafoy,ka handao 'ty zanakao!
Hitandrina aho ami-sisa, mba hanonitra izay!
Ry Tompo ô, matokisa,fa maso voan-tsakay!

r.epsilon
Anjoma-Itsara,Fianarantsoa Desambra 1992
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1458 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142