You are here: home > Vetso

Faikapaikam-pety - R.V.K

Faikapaikam-pety

Hoy aho aminao.
Fa ho ahy,tsy misy maminy
Ny taona vaovao

Mba vaovao kanefa,
Fa tsy misy miova akory,
Ny omaly ihany no eo
Tsy ilaozan-tsorisory

Ataoko ahoana moa
No hiaina fety sambatra
Ny fahoriako anefa
Mandranjo sy manjanaka

Mba miangatra ianao
Raha manonona ahy izany
Fa ny ahy no hiainako eto
Ranomaso sesilany

F'izaho no mirary
Fety sambatra ho anao
Hiaino am-pifal├Čana
Ny taona vaovao

Ny ahy angamba zioga
Tsy maintsy ho lanjaiko
'Ty fety fahoriana
Mandreraka ny saiko

R.v.k

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha