You are here: home > Vetso

Handeha ianao k'anefa... - R.V.K

Handeha ianao k'anefa...
.
'Ndehana dia sambara
Na mamiko aza indrisy,
Angamba tsy ho anjara
.
Handeha ianao k'anefa
Ny lasa re banjino
Ireny ve no vita
Dia,...ho rava.......tsy mampino!
.
Raha mbola misy anefa
Na kely monja ihany
Irika fitiavana
Any anaty fonao any
.
Malala oh! Miverena
Fa mbola tiako ianao
Fa zava-poana ho ahy
Izao tontolo izao
.
Raha tsy eo anilanao
.
R.v.k

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha