You are here: home > Vetso

Hiangavy fanin-droany - R.V.K

Azo vakiana?

Hiangavy fanin-droany
.
Tsy homeko tsiny ianao
Raha mihevitra ahy ho adala
Saingy tadidio
Fa,...ianao tsy mahalala
.
Ny herin'ny fitiavako
.
Dia sahy ianao miteny
Fa,...tsy anjarako ny fony
Nefa tsy hisy intsony
Tiako mihoatra azy
.
Ka,aleo aho mba hiangavy
.
Hitaraina fanin-droany
'Ndrao mba ho tsaroany
Ny lanjan'ny voady
Niarahanay fahiny
.
Tsy mino aho hoe,tsy tiany
.
Raha laviny aho
Ekeko fa,...
Izaho tokoa no adala
Hononiko ny foko
Tsy hahare sy hahalala
.
Ny lasanay intsony
.
Fa aoka aho aloha
Hiangavy fanin-droany
.
R.v.k

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha