You are here: home > Vetso

Tandremo - R.V.K

Tandremo
.
Aza dia mahatoky
Ny vetsom-po rehetra
Arantin'ny Poeta
.
Fa mbetika izy ireny
Tsy ianao no anoratany
Sy tena anandratany
Ny vetsovetsom-pony
.
Marina fa hoe,
Ny anaranao no antsoiny,
Nefa tadidio fa,...
Fitiavan'olon-kafa
No mibahana ao am-pony
.
Dia faly ery ianao
Miedona fa,...tiany
Fitiavan'olon-kafa anefa
No,...ho soavaliany
.
Tandremo anefa sao
Voafingana ka lavo
Na manitra aza ny entona
Entiny mambabo
.
R.v.k

Sokajy : fananarana

Hametraka hevitra

Midira aloha