Tsiaro (R.V.K)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIARO
.
Izaho aloha tsy mino hoe
Iny ianao no lasa
Ka tena nanadino e
.
Fa mbola hisy tsiaro
Hamoha sasak'alina
Hanery anao hiarina
Hisaina ny amin-tsika
.
F'ianao na aiza n'aiza
Na mandry na mifoha
Tsy hamela anao ho tony,
Ny lasan-tsika roa
.
Fa tsiaro sarobidy
Tsy lefy hadinoina
Aloka fitiavana
Sarotra vonoina
.
Hiriaria anatin'
Ny fo mandavan-taona
Ka na hisitri-belona
Any an-danitra aza ianao,
Dia hahatsiaro foana
.
R.v.k
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
713 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011