AMPY AHY Tano ho anao ny (Ra-jouany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPY AHY
Tano ho anao ny valin-teny
F'aza avela hisy ahalala
Aoka mba ho anao irery
Eny,ho anao ihany ry malala

Na 'lay nitondra ny hafatra aza
Aza mbola ampahafantarina
Sao izy ho be filaza
Ka ho henoko ny marina

Matahotra aho mantsy sao ho TSIA
no atokanao ho setriny
Dia ho leo 'ty fo mitia
Ka hanova ny fitempony

Aoka anefa ianao tsy hangoraka
Fa na ENY na FANDAVANA
Ampy ahy mantsy ny namboraka
R'efa feno ny fitiavana
Ny valin-teninao tsy haiko
no DOM-BERINA ilaiko

Ra-jouany(R.jean Bosco)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
910 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ra-jouany
Nampiditra : vizir
Daty : 05/12/2016 12:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103