You are here: home > Vetso

Anatra - RA.VO.L.A

Raha ny ranomainty efa tapitra sy ritra
nanafarako anao mba tsy haditra
tokony ho hendry ianao hatramin ny anio
mitohy hatrany am paradisa ka mba tadidio


ny aina anie tsy hananampiry
raha tafasaraka dia hirifiry
ka diniho ny teny avoaka
fa aza atao tafahoatra


raha ny anatra navoaka imolotra
sitrapo matoa natolotra
mba tsy ho solafaka ny zanaka
hananay ezaka matanjaka


tsy gadra ny eo ankohonan dreny
na toa mamefy ombienyombieny
mandrara anao tsy hiankavia
fa tiany ianao tsy hikodia


sakanany ianao tsy hiankavanana
tsy hiaradia @ireo namana
fantany fa fandrika io
ka andosiro sy ivilio


ny reny anie tany aloha
voataiza toy izany koa
fa izao vao mahafantatra
hay ny ANATRA ankamantatra.

Sokajy : Malalaka

Mombamomba

Mpanoratra : RA.VO.L.A

Nampiditra : SederaMioty
Daty : 25/08/2017
Mpamangy : 215
Mankafy : 2
Ankafizo

Hevitra mandeha

SederaMioty (25/08/2017 07:32:51)

Anatra nomen 'ny Reniko(RA...VOahangimalala L... Angele) ho ahy dia mba zaraiko aminao

Hametraka hevitra

Midira aloha